Manomboka omaly talata 8 novambra ary haharitra telo andro ny fivoriana ara-potoanan'ny Filankevitra Monisipaly
. Dinihina mandritra izany ny kaotim-pitantanana taona 2015 sy ny tetibola 2016, eo ihany koa ny mahakasika ny Fasana eny Anjanahary, ny mahakasika ny toeram-piantsonana sy ireo toerana tantanin'ny Kaominina eto an-dRenivohitra, ny mikasika ny Esplanade Analakely ary ny momba ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina.
MAHAJANGA
Hanamarika ny faran’ny herinandro ho avy izao dia ny sabotsy 12 sy ny alahady 13 novambra tontolo andro ny adin-kiragasy hifanandrinan’ny tarika Ramilisaona Besigara avy eny Fenoarivo-Antananarivo Atsimondrano sy ny tarika Vatofantsika avy ao Mahajanga hatao ao Tanambao Sotema. Izany dia tafiditra amin'ny fankalazana ny faha-5 taona nijoroan'ny Vatofantsika izay tarika hany tokana reharehan'ny faritra Boeny amin'iny fiangaliana ny hiragasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.