Salon de l’Auto
Hotanterahina ny alakamisy 29 oktobra hatramin’ny voalohan’ny volana novambra 2015 eny amin’ny CCI Ivato ny «Salon de l’Auto» andiany faha-10. Tanjon’ny vondron’ireo mpivarotra fiarakodia eto Madagasikara mpikarakara ny hanosika ny tontolon’ny fiarakodia eto amin’ny tanàna. Hifanindran-dalana amin’ny hetsika ihany koa ny sehatry ny teknolojia avo lenta vaovao avy amin’ny orinasa Telma.
PNEFP
Hatolotra amin’ny fomba ofisialy anio eny Ivato ny antontan-kevitra lasitra mahakasika ny politikam-pirenena momba ny Asa sy ny Fampiofanana matihanina na Pnefp. Harahina rangopohy fifanarahana avy hatrany moa izany.
Jirofo
Tsara ny fiotazam-bokatra jirofo tamin’ity taona 2015 ity izay hifarana amin’ny faran’ny volana novambra, hoy ireo mpamokatra. Ratsy mifanohitra amin’izay kosa anefa ny vidiny. Sandaina 14.000 ariary mantsy ny kilao raha nahatratra 20.000 ariary tamin’ny taona 2014.
Tetibola
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny faran’ny herinandro teo ireo tetibolam-panjakana miisa roa. Fanitsiana ny tetibola 2015 sy fandaniana ny tetibola vaovao 2016.
Fanafarana entana
Nampidina hatrany amin’ny 20% ireo vokatra hafarana mandritra ny fetin’ny krisimasy ireo mpanafatra entana. Antony ny fitotongan’ny vola ariary sy ny fahefa-mividin’ny mpanjifa.
Fananantany
Mitaky ny fitazonana ireo voalazan’ny politika fanavaozana ny fananantany tamin’ny taona 2005 ny fikambanan’ireo tantsaha Malagasy. Hita soritra tamin’io mantsy ny fanapariaham-pahefana tena izy ahafahan’ny kaominina mitantana ny resaka fananantany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.