Nangatsiatsika ny mponina tao Toliara tsy toy ny fahita mahazatra rehefa mandray filoham-pirenena nandritra ny fitsidihan’ny filoha Rajaonarimampianina tany an-toerana ny alarobia teo. Nafotaka anefa ny fanentanana ny olona ho avy hitsena hatreny amin’ny seranam-piaramanidina.
Hotanterahina anio ao Antalaha ny fametahana ny samboady marika maha solombavambahoakan’i Madagasikara an’i Laisoa Jean Pierre na Jaovato, voafidy tany an-toerana. Hitarika ny lanonana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max.
Tsy hita popoka hatramin’izao ilay rangahy mpanao vato avy any Ankazomiriotra, nisy nitondra nankao Antsirabe avy eo nanjavona efa telo herinandro izao. Misy mpitandro ny filaminana ao ambadik’ity fanjavonany ity. Miahiahy fatratra ny fianakaviany.
Nihaona sy nifampidinika tamin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha ireo tompona haino aman-jery vitsivitsy teto an-drenivohitra omaly hariva. Mikasika ny fivadihana any amin’ny TNT (Télévision numérique terrestre) no nifanakalozan-kevitra.
Nihazo ny Nosy Maorisy omaly ny minisitry ny tontolo iainana sy ny ala ary ny haivoary, Ramparany Anthelme rehefa avy nitokana ny tetezana mandika ny lakandranon’i Pangalana, mampifandray ny tanànan’i Mananjary.
Hanatanteraka varavarana misokatra etsy amin’ny Radama Hotel Antaninarenina ny komitin’ny fanoherana miara-dia amin-dry Lalatiana Ravololomanana anio tolakandro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.