Actualités

TAPANY TOAMASINA


  • Alarobia 07 Septambra 2016

Nivaly omaly ny bakalorea faritany Toamasina. Niakatra ho 40,35% ny taham-pahafahana tamin’ity raha 25% ny taona 2015. 10.435 tamin’ireo kandida niisa 25.946 voasoratra anarana no afaka tamin’ny


fampianarana ankapobeny, nanome 40,22%. 624 tamin’ireo kandida niisa 1.465 kosa no afaka teo amin’ny sokajy teknika sy teknolojika, nanome 42,59%. Raha ny fanazavan’ny filoha lefitry ny oniversite Toamasina dia miankina amin’ny fahavitan’ny taom-pianarana eo anivon’ny onivesite no hamantarana ny isan’ny mpianatra horaisiana amin’ny taom-pianarana manaraka.

 

TELMA COUPE DE MADAGASCAR
Hotontosaina ny 11, 18 ary 21 septambra ho avy izao ireo lalao 1/16-ndalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara 2016 eo amin’ny baolina kitra. Ny 11 septambra dia ny tanànan’Ambanja, Ambatondrazaka, Tsiroanomandidy, Antananarivo, Fianarantsoa, Ihosy, Mahajanga, Miarinarivo, Toamasina ary i Toliara no handray ireo fihaonana voalahatra. Ny 18 septambra indray dia anjaran’Ambanja ihany sy Antalaha indray no handray ireo lalao hafa. Ny 21 septambra kosa dia hamarana ny fandraisana ireo lalao voalahatra ny any Maevatanana Faritra Betsiboka
.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT