Hifamotoana etsy amin’ny Hotely Railovy Andohan’Analakely ireo mpitolona tao amin’ny Magro rahampitso maraina. Fihaonana hamondronana ny hery io, hoy ny mpikarakara.
Ivato
Nisy fahasimbana tamin’ny fotoana nipetrahany teo amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly misandratr’andro ny “train d’atterissage” iray tamin’ny fiaramanidina kely Cessna an’ny kaompania tsy miankina iray. Tsy nisy tohina na ny mpanamory roalahy na ireo mpandeha tao anatiny. Nikatona nandritra ny fotoana fohy ny seranam-piaramanidina noho io.
Ambodihady
Hanao fampisehoana ao amin’ny FJKM Ambodihady Vaovao – Ambohimanarina ho famaranana ny fetim-bokatra ny STK Ambodihady sy ny Koraita Manarintsoa Finoana ny alahady 27 septambra tolakandro. Anio dia hisy antsampanahy hiarahany amin’ny SAMIA, ASAFIA, AFI, TFKA, Fanantenana ary Antso. Vao avy nankalaza ny faha-110 taonany ny STK.
Jirama
Amin’ny tapatapaky ny volana novambra 2015 no ho tratra ny filan’Antananarivo amin’ny herinaratra aorian’ny fametrahana milina mpihary herinaratra eny Antanandrano sy Ambohimanambola.
Vidin-tsolika
Tsy maintsy hofoanana amin’ny volana oktobra ny “subvention” amin’ny solika ka noho izany mihatra manomboka amin’izay ihany koa ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy manerana an’i Madagasikara.
Maroantsetra
Navotsotry ny fitsarana rehefa notanana am-ponja nandritra ny dimy volana ilay mpiaro ny tontolo iainana Armand Marozafy.
Antsiranana
Nivoaka ny harivan’ny alarobia teo ny valim-panadinana bakalorea tany Antsiranana, misy ny Faritra DIANA sy SAVA. 25,73% ny taham-pahafaham-panadinana tamin’ity 2015 ity, nisy fidinany niohatra ny tamin’ny taon-dasa.
Behoririka
Lehilahy iray manao asana mpibata entana eny Behoririka no hita maty teny amoron-dalana teny an-toerana omaly maraina. Nahitana ratra tamin’ny vatany. Tombanana ho nisy namono izy.
Miandrivazo
Nisokatra nanomboka omaly ary haharitra efatra andro ny fetin’ny tsaramaso. Anio zoma no fanokafana ofisialy ny hetsika. Hisy karnavaly lehibe hanamarina izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.