Actualités

TAPANY KELY VOHIPENO


  • Talata 01 Martsa 2016

Nivaha ny olan’ny delestazy. Nahazo gropy vaovao ny Jirama hamerenana amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra ao an-toerana,


  taorian’ny fahasimban’ireo milina roa tao ka tsy nahafahan’ny Jirama namaly ny filan’ireto farany, ka nampitokona azy ireo ny herinandro lasa teo.

MOZIKA
Hiverina eo amin’ny habaky ny kanto ny Tarika Raberanto rehefa nangina an-taonany maro, taorian’ny fodiamandrin’ireo mpikambana sasany nandrafitra ny tarika. Saika mpiray tampo avokoa rahateo no nandrafitra ny tarika Raberanto. Hamoaka rakitsary vaovao ny tarika hanamarika ny fiverenany indray.

MANANJARY

Mirehareha fatratra ny tompon’andraiki-panjakana iray zanaky ny faritra manerana ny tanàna fa hoe tsy misy mahory azy intsony ankehitriny ary nahateny mihitsy tamin’ny olona teny rehetra teny izy fa tsy voaisany intsony ny vola ana miliara ananany ankehitriny. Izy moa dia anisan’ireo izay voatonontonona tamin’ny aferana boaderôzy tao ho ao.

FAHASALAMANA
Mirongatra amin’izao ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny kohaka, sempotra ary ny aretim-pivalanana mpahazo ny zaza. Ny haloton’ny tontolo iainana no voalaza fa antony.

KAOMORIANINA
Manodidina ny 150.000 amin’izao ny isan’ny teratany Kaomorianina eto Madagasikara, ka ao Mahajanga ny ankamaroan’izy ireo, misy 50.000 eo.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT