Actualités

TAPANY KELY TOETR’ANDRO


  • Sabotsy 27 Febroary 2016

Tsy nihiratra ny andro omaly saika nanontolo andro. Tsy misy andro ratsy fa volon’andro fahavaratra no misy, hoy ny teknisianina ao amin’ny mpamantatra ny toetr’andro. Tsy hisy koa rivodoza ato anatin’ny folo andro ho avy.

TANJOMBATO
Hisokatra manomboka anio sabotsy 27 febroary ny lalam-pirenena faha-7 eo amin’ny PK8+100, Ambaniatsimo Tanjombato rehefa avy nasiam-panamboarana. Hiverina amin’ny laoniny manaraka izany fifamoivoizana amin’iny faritra Andoharanofotsy mianatsimo iny.

ANKATSO
Mitaraina ireo mpiasa ECD eny Ankatso fa efa tamin’ny faran’ny volana desambra 2015 no nandray karama farany. Tsy misy fanazavana ny antony tsy mbola andraisana karama janoary 2016, nefa ny volana febroary aza ity efa hifarana ihany koa.

SAINTE-MARIE
Distrika anisan’ny ahitana trangana ambalavelona koa i Sainte-Marie. Nisy vavaka iraisam-pinoana natao tany ny alarobia teo handroahana ny fanahy ratsy.
Vao nirava ny fiangonana dia nahitana ankizy iray nihetsika indray teny an-dalana. Voatery noravana ihany koa ny ambaratonga faharoa tao amin’ny sekolin-dry masera rehefa nisy tranga telo niseho.

BEKILY
Jiolahy mitam-basy miisa valo ka vehivavy ny iray no nanafika tao Bekitro. Trano telo no nasesin’izy ireo notafihina ka toeram-pivarotana ny roa. Vola am-polony tapitrisa miampy entana maro no lasan’izy ireo. Naharitra adiny roa ny fifampitifirana. Olona iray no namoy ny ainy tamin’izany.

ANALALAVA
Nahena ho eo anelanelan’ny amin’ny enina ora hariva hatramin’ny misasak’alina ny ora fandehanan’ny jiron’ny Jirama any an-drenivohitry ny distrikan’Analalava, faritra Sofia. Ny antony dia noho ny tsy fisian’ny solika.

BEZAHA
Sambany ny alakamisy teo vao mba nirotsaka ny orana tany Bezaha, Distrikan’i Betioky Atsimo, Faritra Atsimo Andrefana rehefa niaina hafanana nigaingaina ny mponina nandritra ny roa volana ngarangidina. Faly ny tantsaha, fa mba manampy amin’ny fanirian’ny mangahazo, katsaka ny orana.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT