Ho betsaka ny rotsak’orana sady hatanjaka ny 24 sy 25 febroary. Mahazo filazana R06;loza fanairana ny faritra R06;Atsinanana, R06;Mangoro, R06;Itasy, R06;
Vakinakaratra, R34;Amoron’i R34;Mania, R34;Vatovavy Fitovinany, Ambohimahasoa, R34;Fianarantsoa, R34;Antananarivo, Avaradrano,R34; Atsimondrano, R34;Ambohidratrimo, Antananarivo Ville ary R34;Andramasina. Manentana ny mponina sy ireo tompon’andraikitra mba ho mailo sy hitandrina tsara hialana amin’ny mety fihotsahan’ny tany ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro.
FITATERANA
Havaozina ny “lanterne” tsy manara-penitra amin’ny taxi-ville miasa eto an-drenivohitra, hanadiovana ireo fiarakaretsaka papango tsy ara-dalàna. 30.000Ariary no vidin’ny “lanterne” vaovao ary amin’ny fotoana anaovan’ny taxi “contre-visite” no ampahatsiahivana io “lanterne” io.
IKALAMAVONY
Dahalo telo no matin’ny Fokonolona sy ny Zandary tany amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana raha avy nanafika tany amin’ny Kaominina Ambatomainty, Distrikan’Ikalamavony, ka nangalatra omby sivy. Tafaverina min’ny tompony avokoa ny omby very.
ANTSIRABE
Taorian’ny fihainoan’ny fitsarana azy ireo omaly hariva dia nahazo fahafahana vonjimaika avokoa ireo olona 7 nosamborina tamin’ireo 23 voatonona ho lohan-dohan’ny mpisorona nandoro ny lapan’ny tanan’Inanantonana-Betafo ny Alakamisy 04 Febroary lasa teo
MANDABE
Tsy mandry fahalemana any amin’ny Kaominina Mandabe, Distrikan’i Mahabo, Faritra Menabe. Mitaraina ny mponina fa efa mirongatra ny halatra omby, nefa hatramin’ny omby “fourrière” ihany koa no misy mivarotra an-tsokosoko.
AMBATOLAMPY
Mitentim-bidy hatrany amin’ny 17 tapitrisa Ariary ny taribin’ny Jirama very nisy nangalatra. Vokatr’io dia maizina ny ankamaroan’ireo kartie ao Ambatolampy, Vakinankaratra.
IKONGO
Olona roa maty, roa ambin’ny folo hafa maratra vokatry ny fanafihan-dahalo ny alahady teo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.