Hanomboka rahampitso 17 martsa ny hetsika ara-toekarena ASIA-IO eny amin’ny Forello Tanjombato
. Fisokafana amin’ireo mpandraharaha any Azia sy aty amin’ny Oseana indianina izy ity ary haharitra hatramin’ny 20 martsa.
BETROKA
Notsirihina omaly ny toerana hasiana ny tobin’ny andiana zandary manokana hiady amin’ny dahalo. Ao amin’ny Kaominina Mahabo, Distrikan’i Mahabo no hisy azy ity.
AMBOSITRA
Miatrika fiofanana mandritra ny telo andro, nanomboka omaly, ireo Ben’ny tanàna miisa 61 sy ireo STC (Secrétaire trésorier comptable) ao anatin’ny faritra Amoron’i Mania.
CENI
Hanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny CENI anio tolakandro, eny amin’ny foiben-toerany Alarobia.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.