Ny Vondrona Eoropeanina no hiantoka ny fanamboarana azy.
Miandry ny fahavitan'ny fanadihadiana amin’ny fiantraikan’ny tetikaaa amin’ny ny tontolo iainana ny fanombohan’ny asa. Asa tanamaro no hanarenana ny lalana sady hasiam-panitarana, hosoloina “béton” ihany koa ireo tetezan-kazo amin’iny lalam-pirenena iny.
ANTSIRANANA
Manodidina ny 10.000 ireo vehivavy ampiantranoan’Antsiranana ao anatin’izao fankalazana ny 8 martsa, Andron’ny vehivavy manerantany izao. Nanolotra omby dimy sy vary iray taonina ny vadin’ny filoham-pirenena Voahangy Rajaonarimampianina hiatrehan’izy ireo ny fety.
MAHABO
Miverina indray ny andiana kijeja efa hary elatra. Mitaraina ny tantsaha mpamboly any amin’ny Distrikan’i Mahabo iny amin’ny afitsok’ireto andiana kijeja ireto, fa manimba voly katsaka sy vary.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.