Notanterahina omaly alarobia 24 febroary 2016, teo amin’ny Bord de la mer Mahajanga Be, ny
lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana ny Faritany Miaramila faha-4, teo amin’ny Jeneraly roalahy, Avilaza Robert Bellarmin Etona, lehibe teo aloha, sy Andrianantenaina Johnson, lehibe vaovao. Lanonana natrehin’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy, ny Jeneraly, Rasolofonirina Béni Xavier.
FIFIDIANANA
Manomboka izao dia ny governemanta no mandroso ny tetiandrom-pifidianana raha ny CENI-T no nanao ny tolokevitra tamin’ny fotoanan’ny tetezamita, araka ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) Rakotonarivo Thierry.
MANANARA AVARATRA
Lehilahy iray no nosamborin’ny zandary, nahatrarana basy poleta vita gasy, tany amin’ny tanàna iray 7km miala ny renivohitry ny Kaominina Saromaona, Kaominina mifanila amin’ny Distrikan’i Mandritsara. Entiny mandrahona ny mpiray tanàna io basy io.
AMBOHIMANARINA
Hotanterahina anio alakamisy 25 febroary 2016 ny fitokanana ny CEG Andranomena-Ambohimanarina. Lasa 15 isa amin'io ny CEG eto amin'ny Cisco Antananarivo Renivohitra.
SOANIERANA IVONGO
Tra-tehaky ny polisy ny jiolahy roa nangalatra lavanila maitso 80kg. Hatolotra tsy ho ela ny Fitsarana ao Toamasina izy roalahy, nodorana kosa ireo lavanila tany amin’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.