Hivory ao amin'ny Radio Free Fm, Villa Pradon, ny mpanao gazety anio talata 16 jolay, handinika ny dingana tokony hatao manoloana ny fanapahana navoakan'ny Fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana fa mifanaraka amin'ny Lalŕmpanorenana ilay fehezan-dalŕna mifehy ny serasera sy fifandraisana.
ANDRANOMENA
Fiaran’ny ADEMA nitondra mpanao gazety, nanaraka ny tanjozotran’ny fiara nanara-dia ny filohan’ny Repoblika nijery ny fizotry ny asa fanamboara foto-drafitrasa teny Ivato sy Anbodifasina ary CCI no notapahan’ny fiara 4x4 iray tampoka ny lalany, nony teny Andranomena. Vaky ny jiron’ilay fiaran’ny ADEMA, nisy fahasimbana kosa ny pare-choc an’ilay 4x4. Niteraka fifamaliana, nampitohana fifamoivoizana ity tranga ity.
TOLIARA
Tapaka ny ranon’ny Jirama tao an-tanànan’i Toliara ny alahady nanomboka tamin’ny mitatao vovonana, mandrapaharivan’ny andro. Mimenomenona tsy nisy toy izany ny mponina fa tsy nisy rano nampiasaina. Tsy nisy rahateo koa ny fampandrenesana mialoha nataon’ny Jirama ka tsy nahafahan'ny mponina niomana.
BEKILY
Mitaraina ny mpampianatra FRAM fa tsy mbola nandray ny karamany. Ny fandraisana ny tambinkarama bepec koa ny tany Ambombe tafakatra120 000Ar, ny tao Bekily, ny antsasany fotsiny. Misy sinoa mitrandraka volamena koa any manambaka fotsiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.