Actualités

TAPANY KELY HOPITALIM-PANJAKANA


  • Talata 19 Aprily 2016

Mihamitotongana ny fifehezana amin’ireny hopitalim-panjakana ireny amin’izao fotoana. Tsy misy fanaraha-maso intsony fa izay ora tiana hidirana no atao. Efa azo hitondrana zaza ihany koa. Ny mpamangy tsy misy bedy na firy na firy.

 

FILANKEVITRY NY MINISITRA
Notanterahina omaly maraina teny Iavoloha ny fihaonana voalohany teo amin’ny filoham-pirenena sy ny governemanta Solonandrasana. Namelabelatra ny ankapoben’ny andraikitra, ny fomba fiasa sy ny ilàna ny fiaraha-miombon’antoka tsy tapaka amin’ireo sehatra sy departemanta rehetra mba ahazoana vokatra haingana sy miantefa amin’ny Malagasy manerana ny Nosy ny filoham-pirenena.

CITE AMBATONAKANGA
Hanao fanambarana sy fanairana ny Mpitondra manoloana ny toe-draharaham-pirenena sy ny fananganana ny Governemanta vaovao ny Firaisamonim-pirenena mivondrona ao amin’ny ROHY (Rindran’Olom-pirenena Hiarovana ny Iaraha-manana), anio talata 19 Aprily.

AMPASAMPITO
Mitaraina ireo ray aman-dreny manan-janaka amin’ny kilasy taona voalohany ao amin’ny lycée teknika eny Ampasampito amin’ny fampandoavana vola 12 000 Ariary isaky ny mpianatra, hanomanana ny “voyage d’étude” hatao rehefa tonga taona fahatelo.

AMBOHIDAHY
Miverina tsikelikely eny ambany tonelina sy eny ambany Arcade ary ambany tetezan’i Behoririka indray ireo 4’Mi nesorin’ny minisiteran’ny mponina teny an-toerana tamin’ny volana febroary 2016 teo, ary natoby vonjimaika tao amin’ny tranobe ex-Madcap Ambodin'Isotry.

ANOSIBE
Mitaraina amin’ny fidangan’ny hofan-tsena ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’Anosibe. Ireo mpivarotra vary sy voamaina no tena mitaraina. Niakatra ho 350.000 Ar ny hofantsenan’izy ireo raha 86 000 Ar izany teo aloha.

BRIEVILLE
Miverina mihodina nanomboka tamin’ny alarobia lasa iny ny orinasa KRAOMA rehefa nivaha ny olan’ny solika tao amin’ny orinasa.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT