Nivoaka ny hopitaly HJRA Ampefiloha nitsaboana azy omaly i Erica, ilay zazavavy kely, 4 taona, nopotsirin’ny rainy niteraka azy ny voamasony roa.
Simba tanteraka ny ila-masony an-kavanana, fa ny an-kavia no nifandrimbonan’ny mpitsabo ny ezaka hamerenana azy amin’ny laoniny. Mbola mitohy ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso ara-pahasalamana ity zaza ity. Nandray an-tanana ny fitsaboana azy ny fitondrana. Nidoboka eny Tsiafahy, ny rainy nahavanon-doza.
DISTRIKA MITSINJO
Omby halatra valo saika hofotsiana ara-taratasy tany amin’ny Fokontany Namakia no saron’ny zandarimariam-pirenena Mitsinjo. Olona telo no voasambotra, ka ny iray mpiray tsikombakomba fa ny roa no voatonona fa tena mpangalatra. Efa natolotra ny Fampanoavana ireo malaso. Mbola tazonina ao amin’ny borigadin'ny zandary ao Mitsinjo kosa ireo omby valo miandry ny tompony.
MAHAJANGA
Nomen’ny Kaominina fe-potona iray volana ireo tompona Bajaj, karazana fitaovam-pitaterana miasa ao Mahajanga, handoavan’izy ireo ny haba sy hetra sy hanavaozana ny antontan-taratasy mifandraika amin’ny asan’izy ireo, mialoha ny hampiharana ny sazy voalazan’ny didim-pitondrana laharana 035/16 ny volana martsa lasa teo.
ANTSALOVA
Notafihin’ny dahalo tao an-drenivohitry ny Distrikan’Antsalova ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma. Nirefodrefotra ny poa-basy. Maro ny naratra, olon-tsotra, mpianatra amin’ny lisea ary polisy. Nisy koa ny nandraiky nanavy vokatry ny tahotra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.