Actualités

TAPANY KELY ANTSIRABE


  • Alakamisy 10 Martsa 2016

Misy radio roa vaovao ren’ny mpihaino indray tato ho ato ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra

. Mangina tanteraka ny eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny fampahalalam-baovao manodidina ny hamaroan’ny radio sy televiziona nisokatra nisesy tao anatin’izao fitondrana HVM izao, nefa tsy nisy “appel d’offre” araka ny nohirahiraina fa miankina amin’io no hitsinjaran’ny Fanjakana ireo maridrefy azo trandrahana.

LALAM-PIRENENA FAHA-3
Nitohana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-3 anelanelan’Andravoahangy sy Analamahitsy tato anatin’ny roa andro izao. Misy ny fanamboaran-dalana, fanampenana ireo lavadavaka eny Anjanahary, ka notapahana tsy azon’ny fiara naleha io ampahan-dalana Anjanahary-Mascar io, fa mihodina any Ambodivona avokoa ny lalana raha hihazo ny renivohitra.

TAOM-BAOVAO MALAGASY
Ankalazaina anio ny Taom-baovao Malagasy. Mizarazara be ihany ary ifandroritana be ihany ny hevitra manodidina azy ity. Misy ampahany milaza fa amin’ny volana jolay amin’ny kalandrie Gregoriana ny Taom-baovao Malagasy. Marihina fa hatreto dia tsy voafaritra ho andro tsy iasana ny Taom-baovao Malagasy.

ANKADIFOTSY
Lasa fantsakana tampoka teo anaty arabe midina avy any Ankadifotsy mihazo an’Ambodivona, ary nifanotofan’ny olona niaraka tamin’ny zinga sy siny ary daba mavo. Vaky ny fantsondranon’ny Jirama ary dia niboiboika toa loharano teo afovoan’ny arabe ny rano.

TSARAMASAY
Trano dimy no nopaohin’ny rivotra ny tafony ny harivan’ny talata teo, tao anatin’ny fifofofofon’ny rivotra teto an-drenivohitra.

MORONDAVA
Saron’ny zandary ny dahalo telo lahy nandravarava tao amin’ny Analaiva sy Bemanonga.

FAMPIANARANA

Misy ireo tompon’ny sekoly mampiasa itony” camera de surveillance” itony any an-dakilasy. Mandeha ny adihevitra hoe maka ny traikefan’ny mpampianatra sa manara-maso izay ataon’ny ankizy no antony ?

FANADIOVANA

Mihetsika amin’ny fanadiovana ny mpivarotra amoron-dalana ny kaominina. Ny mpivarotra amin’ny lalana Volaniray Anosibe hihazo an’Anosipatrana iny anefa mbola mameno ny lalana natokana ho an’ny mpandeha.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT