Niroso tamin’ny famefena ny toerana kasain’ny Fanjakana hanorenana toeram-piantsonan’ny fiara vaovao, hamindrana ny eny amin’ny Fasan’ny Karana, omaly, ny ministeram-panjakaana misahana ny tetikasan’ny filoha sy ny fampitaovana ary ny fanajariana ny tany.
FITSARANA
Andrasana anio didim-pitsarana mikasika ny raharaha fandrahonana hitifitra amin’ny basy mpanao gazety nihatra tamin’ny tonian’ny famoahana ny gazety an-tsoratra « Ao Raha », nataona mpandraharaha amin’ny sehatry ny fitaterana.
ANDRAVOAHANGY
Misy andiana vehivavy telo malaza ho mpangarom-paosy sy manataka poketra amin’ny « lame » rehefa andro tsena alarobia ao Andravoahangy. Maro no efa lasibatr’izy ireo, indrindra ny vehivavy misakelika poketra.
VALALA
Tontosa ny 94% ny ady amin’ny andiam-balala niarahan’ny minisiteran’ny fambolena sy ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana.
MAHAMASINA
Hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena manomboka anio ary haharitra telo andro ny andiany faha-8 amin’ny « Salon du mariage et de la réception ».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.