Actualités

TAPANY KELY AMBOHIDRAPETO


  • Alatsinainy 25 Aprily 2016

Nahitana fatin-jazazakely natao tao anaty harona plastika ary napetraka teo amin’ny “La Grotte” Andramahavola.


  Olona sendra nandalo maraina no nahita ilay zaza, tsara fono saingy efa tsy nisy aina intsony. Tombanana fa zaza velona izy io no napetraka teo fa mety matin’ny hatsiaka ny tontolo alina.

ANKATSO
Mpianatra miisa 56 ao amin’ny Institut Conficius no notoloran’ny governemanta sinoa vatsim-pianarana fankaherezana amin’ny fandalinana ny teny sy ny kolontsaina sinoa. Mahasarika tanora maro ny fianarana teny sinoa, misy 30 isan-taona eo no mahazo vatsim-pianarana mankany Chine.

RN6
Potika noho ny tsy fisian’ny fikojakojana nampian’ny rotsak’orana nentin’ny rivodoza Fantala farany teo ny lalam-pirenena faha-6, indrindra ny eo anelanelan’Ambilobe sy Antsiranana, mirefy 50km eo. Adiny roa be izao no anaovan’ny fiara io halaviran-dalana io.

ANOSY
Nankalaza ny faha-20 taonany ny fikambanan’ny zanak’i Mahajanga. Nisy ny lanonana ara-pirahalahiana notanterahin’izy ireo tao amin’ny Cercle Franco-Malagasy Anosy ny sabotsy teo, sady nifampiarahaba noho ny taona vaovao.

MPANAKANTO
Hihazo an’i Etazonia ny mpanakanto mpiangaly jazz Fanja Andriamanantena amin’ny volana mey ho avy io. Hanolotra seho « cabaret » ao New York sy Washington izy mandritra ny diany ka hanomezany ny kanto amin’ireo Malagasy mila ravinahitra any an-toerana.

FIANARANTSOA
Tsy nisy iray izay tsy niloa-bava amin’ny haratsin’ny lalam-pirenena faha-7, indrindra eo anelanelan’Ambohimahasoa amin’i Fianarantsoa, ireo olo-nasaina tamin’ny lanonana fanolorana samboady ireo Senatera zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT