Actualités

TAPANY KELY ALI KAME


  • Alarobia 17 Aogositra 2016

Tsy afaka nihazakazaka tamin’ny fifaninanana 110 m misy fefy tany amin’ny lalao olimpika any Rio ilay atleta Malagasy Ali Kamé, izy izay efa nandrombaka ny medaly alimo taty

 Afrika tamin’io taranja io.Tsy misy intsony izany ny atleta Malagasy mandray anjara amin’ny lalao olimpika fa dia efa nihintsana avokoa.

ANTSIRABE
Tapaka nandritra ny tapakandro maninjitra ny jiro tao Antsirabe omaly. Nisy fiantraikany tamin’ny fitsaboana tamin’ireo hopitaly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ao an-toerana izany. Tao amin’ny Hopitaly Loterianina Andranomadio, ohatra, dia betsaka ny marary tokony ho nandalo fandidiana no voatery niandry ny jiro hiverina vao afaka natao.

MAHAJANGA
Hifanotofana ny taksibe zotra mampitohy an’i Mahajanga tampon-tanàna sy ny “petite plage”. Tsy ampy rahateo ireo fiara mitrandraka ny zotra roa dia ny faha-12 sy ny faha-15 mampitohy ny tampon-tanàna sy ny faritra hitsangantsaganan'ireo mpiala sasatra ao Mahajanga. Taingim-be mikiraviravy hatreny ivelan'ny fiara no hita eny amin'iny lalam-pirenena faha-35 iny.

MAROVOAY
Hahazo birao vaovao hiadidy ny fananan-tany ny ao Marovoay. Hotokanana amin’ny 19 aogositra izao izy io ; tafiditra indrindra ao anatin’ny hetsika fanamarihana ny herinandron'ny fananantany ao Boeny.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT