Tsy ny fananaraotana sy ny tsy fahaiza-mitantana ny orinasa akory no hanomezana azy ny vahiny,
hoy i Fetison Rakoto Andrianirina. Miombon-kevitra amin'ny RDS (Roso ho amin'ny Demokrasia Sosialy) ny tenako, hoy izy, ny tsy hamarotana amin'ny vahiny ny orinasa Air Madagascar. Rehefa tsy vonona ny hanarina azy izay tompon'andraikitra, aoka hiala. Sarotra ny manarina ny fanapahan-kevitra toy izany, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
AMBALAVAO ATSIMONDRANO
Hitohy anio ny fandaminana ny tany mirefy 40ha mahery mampifanolana ny fokonolona sy ny sinoa, tamin’ny famaritana faobe ka nametahana baorina tamin’ny tany manontolo, hatramin’ny tany manan-tompo. Anio no tokony hanitsiana ny baorina efa voapetaka.
RNM
Homarihina anio ny faha-85 taonan’ny Radiom-pirenena Malagasy (RNM). Ny 29 aprily 1931, no re voalohany teto amin’ny resaka radio ny Radio Madagasikara. Raneny no fiantso azy izao, satria izy no zokiny indrindra amin’ny fampielezam-peo misy eto amin’ny firenena.
ANTSIRANANA
Miverina mampihorohoro ao an-tanàna indray ireo andian-jatovo mahery setra sady maka an-keriny fananan’olona. Nifanenjehan’ny polisy izy ireo ny harivan’ny alarobia teo, saingy tafaporitsaka.
FETIN'NY ASA
Ireo sendikalista mahazo alalana ihany no mahazo milahatra an-dalambe raha ny nambaran'ny tao amin'ny prefektora ny polisy.
FAMPIANARANA
Niato vonjimaika ny fampianarana ao amin’ny Lycée Mixte Antsiranana vokatry ny fitokonan’ny mpianatra hatramin’ny fiandohan’ny herinandro, mitaky ny hialan’ny Proviseur sy ny Censeur amin’ny toerany, fa “manao tsindrihazolena”, araka ny filazan’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.