FIHAVANAM-PIRENENA
Herintaona aty aorian’ny dinika nasionaly momba ny fampihavanam-pirenena notarihin’ny FFKM teny Ivato, nampihaonany ireo filoha voafidim-bahoaka efa-dahy Pr Zafy Albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary Hery Rajaonarimampianina sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina.
MAHAJANGA
Tafatsangana ny alatsinainy 25 aprily teo ny birao vaovaon’ny SAT Syndicat Autonome de Taxi ville). I Aly M'hadji no filoha vaovao hitantana ny SAT ao Mahajanga, izay nandimby toerana an’i Hassimo Kely. Mpikambana 13 no mandrafitra ny birao. Nankatoavin’ny sampandraharaha misahana ny fitaterana ao amin'ny Kaominin'i Mahajanga sy ny ATT na ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety ny fijoroan'ny SAT.
AMORON’I MANIA
Manomana foara ny faritra Amoron’i Mania. Sambany no hikarakara tsenabe toy izao ny faritra, izay handraisan’ireo Kaominina miisa 61 mandrafitra an’Amoron’i Mania. Kendrena hatao amin’ny volana jona ho avy io izany.
ETAZONIA
Manao tsidi-pahitra ny ankamaroan’ny mpiasan’ny Ambasady Malagasy ao Washington. Zara raha misy atao, mba tsy hilazana fa tsy misy atao. Miantoka kojakoja ireo manan-draharaha atao ao amin’ny Ambasady.
HALATRA
Mirongatra ny halatra “batterie” any amin'ny lalam-pirenena faha-2 mihazo an'i Toamasina. Ireo fiarabe mijanona amoron-dalana no tena lasibatra amin’izany.
ADY AMIN'NY KOLIKOLY
Nanamafy ny fiaraha-miasa amin'ny ady amin'ny kolikoly ny Bianco sy polisy, nanao fanambaram-pananana ihany koa ny tompon'andraikitry ny polisim-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.