Actualités

TAPANY KELY


  • Zoma 19 Febroary 2016

MIRALENTA Vehivavy miisa 17 indray no nahazo fiofanana momba ny fahaiza-mitarika sy ny fanomezana toro-hevitra ny namany tamin’ny alalan’ny


 « Initiative Citoyenne pour la Consolidation de la paix leadership Stabilité », na ny INCIPALS, izay vatsian’ny Vondrona Eoropeana vola tamin’ity herinandro ity. Andiany faharoa izy ireo, nofaninana manokana  hizara ny traikefany amin’ireo manodidina azy  hahafahana  mampiroborobo ny miralenta eto amintsika.

ANDRON’NY SEKOLY
Nankalazaina tamin’ity herinandro ity ny herinandron’ny sekoly taona 2016. Ho an’ny sekoly Ief Aceem Andravoahangy manokana dia famohazana ny talenta ao anatin’ny mpianatra no nentiny nanamarihana izany  hahafahan’izy ireo mivelatra sy miseho imasom-bahoaka. Ireo ankizy mpianatra  ao amin’ny kilasy fahafolo ka hatramin’ny kilasy famaranana no voakasik’izany omaly, ny an’ny kilasy faha-enina ka hatramin’ny fahasivy ny talohan’io.

FANANANTANY
Misy delegasiona senegaley tonga eto Madagasikara maka traikefa mikasika ny fitsinjarampahefana momba ny fitantanana ny fananantany. Nidina tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Andriambilany, distrikan’Ambatolampy izy ireo namantatra ny zava-misy.

SOLIKA
Mety tsy dia hidina ambanin’io vidiny ankehitriny io intsony ny vidin’ny solika eny amin’ireo toby mpaninjara solika hoy ny filohan’ny vondron’ny toby mpaninjara solika (GPLSS), Rakotozafy Martin.

ANTANIFOTSY
Efa amam-bolana izao ny mponina any Antanifotsy Vakinankaratra no tsy mba mahita fahitalavitra TVM. Raha ny heno dia nisy fitaovana nilatsahan’ny varatra ka simba. Efa namboarina izy io saingy nilatsahan’ny varatra indray.

TOERANA AVO
Ahiana ny hihotsahan’ireo vato be amin’ny faritra avo eto Antananarivo. Ny antony dia noho dia vokatry ny fikaohan’ny rano ny tany manarona sy itoeran’ireny vato ireny, maro koa no miha antitra nolazoin’ny masoandro sy rivotra ka mihamodaka.

MANJA
Simba ny 97% ny foto-dratr’asa ara-pampianarana any amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Manja, faritra Menabe.

FEFILOHA
Hanohana ara-bola ny fanarenana ny fefiloha simba eny Ambohimangakely, Ampasika sy Avaradrano ny Faritra Analamanga.

ANOSIZATO
Saron’ny Polisy ny andian-jiolahy namaky tranombarotra teny Anosizato, ka nahavery barika feno menaka niisa 32.
Tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo entana very.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT