Hiroso amin’ny fitokonana faobe ireo mpirakidraharahan’ny Fitsarana sy ny mpandraharahan’ny fonja manomboka anio alatsinainy 11 aprily 2016.
MAROVOAY GARA
An-dalam-pametrahana ny “fibre optique” mankany Alaotra miainga ao Moramanga ny Telma. Efa tonga ao Marovoay Gara ny asa omaly.
BEHENJY
Vazaha lahy nitondra moto, no maty amin’ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faha-7, 50km atsimon’Antananarivo tsy lavitra an’i Behenjy omaly alahady. Voalaza fa nifandona tamin’ny kamiao, nisongona fiara ilay moto.
MORARANO GARA
Efa manomboka ny fanamboarana ny tetezana vita amin’ny simenitra ao Ambohimilatsara Morarano Gara (MLA) amin’ny lalam-pirenene faha-44.
SAMBAVA
Maizin-kitroka ny tanànan’i Sambava nanomboka ny sabotsy antoandro noho ny fahatapahan’ny herin'aratra. Tsy afaka manaraka TVM sy RNM ny mponina any an-toerana hatramin’izao
TETEZAN’AMPASIKA
Efa niverina eo amin’ny tetezana indray ireo mpivarotra nanomboka tamin’ny zoma teo. Ny talata maraina izy ireo no nalan’ny kaominina. Nanaiky niala izy ny talata sy alarobia sy alakamisy. Ireompivarokena moa tsy nanaiky niala mihitsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.