Hotanterahina anio ao Ampasy ny fampandroana ny sisan-taolambalon’ireo Mpanjaka folo lahy nifehy ny faritra Menabe. Fanao isaky ny folo taona izy ity, ary lanonana tafiditra amin’ny fankalazana ny FITAMPOHA, izay hifarana anio.
FANDRIANA
Hotanterahina anio zoma 19 aogositra ny lanonana ofisialy fanokafana ny VOLAMBETOHAKA. Andiany faha-13 ny amin’ity 2016 ity, izay tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady izao. Somary mangingina ny andro voalohany omaly.
TOETR’ANDRO
Ny Alizay no mandrafitra ny toetr’andro ankapobeny eto afovoan-tany. Mbola hangatsiaka ny andro hatramin’ny faran’ny herinandro ary hitohy ho rako-drahona ny lanitra ny maraina.
MORARANO GARA
Nisesy ny halatra lakolosy tao amin’ny Kaominina Morarano Gara. Lasibatra ihany koa ny lakolosin’ny FJKM Ambohidray, 10 km avaratr'i Morarano Gara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.