Hanao fivoriambe ao amin'ny foiben'ny Free FM, villa Pradon Antanimena anio maraina ny mpanao gazety,
handinihana izay tokony hatao momba ny hoavin'ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara, taorian'ny fanambarana ny fanapahan-kevitry ny Filoha Hery Rajaonarimampianina hamoaka ny didy fampiharana ny Lalàna mifehy serasera.
FIFIDIANANA
Hisy tafatafa mivantana amin’ny teny Frantsay mandritra ny adiny iray ao amin’ny ARS Facebook page, miaraka amin’ny manampahaizana manokana Lex Paulson, hahafantarana misimisy kokoa ny fifidianana filoham-pirenena any Etazonia, hatao anio alakamisy 25 Aogositra amin’ny 4 ora eto Madagasikara.
MAHAJANGA
Hanome fampiofanana maimaimpoana ao Mahajanga mikasika ny fitadiavana asa ny fikambanana « Tanora Hampandroso an’i Madagasikara », ny alatsinainy 29 sy talata 30 Aogositra izao ao amin’ny Hotel de Ville Majunga.
ANTSIRABE
Hisy hetsika fandidiana molotra sima sy lanilany ny Fondation Telma amin’ny volana septambra ho avy io. Hatao ao amin’ny Hopitaly Atsimo ny fandidiana, ary maimaimpoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.