Actualités

TAPANY ANKADIFOTSY


  • Alarobia 30 Martsa 2016

Tsy ahitam-panafany ny halatra kojakoja anaty fiara mipetraka eny Ankadifotsy. Ny marainan’ny alahadin’ny Paska teo, dia fiara telo farafahakeliny no lasibatry ny mpangalatra ny « autoradio » tao anatiny, raha mbola tany am-piangonana Fjkm Ankadifotsy ny tompony.

FASAN’NY KARANA
Tovovavy kely iray no maty tsy tra-drano, nodonin’ny moto ny alahadin’ny Paska tokony ho tamin’ny 5 ora hariva, tao anaty fitohanan’ny fiara. Nirifatra nandositra ilay mpitondra moto na teo aza ny loza.

NANDIHIZANA CARION
Fiara Sprinter iray no nivadika ambony ambany teo amoron’arabe amin’ny lalam-pirenena faha-2 ny alatsinainin’ny paska.
Fifamaliana teo amina mpandeha sy ny mpamily no voalaza nitarika ny loza. Tsy nisy maty fa ny naratra no nisy.

BY-PASS
Fiara « camionnette » iray no nitsoraka tany an-tanimbary, andro antoandro ny alahadin’ny paska teo. Alikaola indray teto no voalaza fa nitarika ny loza. Olona telo no tao anatiny, lehilahy roa sy vehivavy iray, saingy tsy nisy naninona izy ireo.

SAMBAVA
Zazavavy kely 9 avy nisaika tao amin’ny ranomasina « La Plage » sady nitsangantsangana no tsy hita popoka nanomboka ny alatsinain’ny paska. Nandamoka ny fikarohana natao hatry ny omaly.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT