Actualités

TAPANY ANDRAINARIVO


  • Alakamisy 18 Aogositra 2016

Hanao tatitry ny asa vitany taorian’ny fanambarana ampahibemaso nataony tamin’ny 27 jolay 2016 ny DFP (Dinika ho Fanavotam-Pirenena),

ivondronan’ny Hetsika sendikaly, ny Hetsiky ny Olom-pirenena ho an’ny Fahalalahana maneho hevitra ary ny Fiaraha-mientan’ny kristianina tsara sitrapo. Eny amin’ny hotely Panorama no hanatanterahana izany anio tolakandro, sady hanoritsoritana ny dingana manaraka hirosoana mankany amin’ny dinika an-databatra boribory.

MAHAJANGA
Ny tranombarotra HATIM no mivarotra ny solomaso eklipsa ao Mahajanga. Lasany ambongadiny ny anjaran’ny faritra Boeny. Raha 1200 Ariary, araka ny taratasy fampilazana navoakan’ny Talem-paritry ny fahasalamana Boeny ny 12 aogositra, no vidin’ny solomaso iray dia 1500 Ariary kosa no ivarotan’ity tranombarotra karana ity azy.

FANDRIANA
Hisokatra anio ao Fandriana ny Volambetohaka. Hetsika ara-kolontsaina ankalazaina isaky ny roa taona any Amoron’i Mania izy ity, ary andiany faha-12 amin’ity taona ity. Haharitra hefarana ny hetsika, tsy hifarana raha tsy amin’ny 21 aogositra.

IHOSY

Mihetsiketsika amin’ny hevitra hanorenana “ranch” hiompiana omby, araka ny fangatahan’ny fanjakana, ny teratany Sinoa any Ihosy Faritra Ihorombe ankehitriny fa manan-kevitra ny hamerina hanokatra indray ny labatoara famonoana omby nakatona vonjimaika.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT