Actualités

TAPANY AMPANDRANA-BESARETY


  • Alarobia 31 Aogositra 2016

Notokanana omaly maraina teny Ampandrana-Besarety ny trano fiasan'ny Birao Mpandrindra ny Tetikasa Fampandrosoana an'i Madagasikara (Bureau de Coordination du Projet de Développement de Madagascar).


  Anisan'ny laharam-pahamehan'ity birao ity ny famolavolana tetikasa hanorenana tanàna vaovao antsoina hoe "IMAMO", tanàna hampifandray ny tanànan'Arivonimamo, Ambohitrimanjaka, Ampangabe, Route Digue, ary ny tanànan'Antananarivo. Mitondra anjara biriky amin'ny fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena, fiompiana, asa tanana, indostria ary ny fikajiana ny tontolo iainana koa ny birao.

ANTANANARIVO- RENIVOHITRA
Niatrika fiofanana mikasika ny famoriana hetran-tany sy hetran-trano ary ny fananan-tany ny mpiasan’ny Boriborintany 6 miaraka amin’ny sampandraharahan'ny Hetra eto amin'ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny tontolo andron'ny talata 30 aogositra.
Nohamafisina fa tsy maintsy mandoa hetra avokoa ireo olom-pirenena manana tany sy trano miorina eto amin’ny tanin’ny Repoblikan'i Madagasikara.

AMPARAFARAVOLA
Nanomboka omaly ny Festival Bakozetra, karakarain’ny Ofisim-paritry ny fizahantany Alaotra Mangoro. Anio ny fanokafana ofisialy, harahin’ny karnavaly Kubota. Hitohy hatramin’ny 2 septambra izy ity, fa ny tena hanamarika ny hetsika dia ny fiara-mijery eklipsa ao Andilana Sud ny 1 septambra.

AMBOVOMBE
100 lahy avy amin’ny fokontany dimy manodidina an’i Esanta no indray natao didimpoitra nandritra ny hetsika fora zaza faobe tao Esanta, Distrika Ambovombe-Androy. Efa lehibe,
16 taona ny iray tamin’ireo natao hasoavana, nisy 14 taona ihany koa.

BEKILY

Kaominina ambanivohitra roa, dia Amabaitaha sy Bekitro any amin’ny distrikan’I Bekily koa no trandrahan’ny sinoa amin’izao. Vato grafita sy Zabrador no lasibatra any an-toerana. Efa miakatra koa ny vokatra tongolobe fa mora vidy. Miha lafo anefa ny vokatra toy ny vary.

TELEVIZIONAM-PANJAKANA

Tsy dia nitantara baolina ny mpanao gazety tao amin’ny televizionam-panjakana tamin’ny Can U19 Rigby tamin’ny lalao natao teto amintsika farany teo. Fantatry ny mpijery manerana ny nosy ve ny nolazainy ?

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT