Nijanona tsy nety nanohy fanofanana ny mpanofana sy mpiofana ENF (Enseignants Non Fonctionnaires) tao Ambanja nanomboka omaly,
rehefa nahavita roa herinandro amin’ny enina herinandro tokony hatao, noho ny resa-bola tambinkarama sady tsy azo no nahena ihany koa. Raha 140.000 isan’olona isan-kerinandro ny vola tokony horaisin’ny mpiofana, dia nihena ho 90.000 Ariary isan’olona izany mandritra ny iray volana sy tapany haharetan’ny fanofanana. Mafampana ny toe-draharaha omaly.
ANDREFANAMBOHIJANAHARY
Hiverina hamory olona etsy amin’ny tranoben’i Sylvain Rabetsaroana etsy Andrefanambohijanahary ny hetsika Mitsangana ry Malagasy anio. Famoriam-bahoaka fanindroany hataon’ny hetsika ao an-toerana io, taorian’ny tamin’ny 19 jolay 2016, rehefa tsy azony ny Kianja mitafo Mahamasina.
SARANDALANA
Nifarana halina tamin’ny misasakalina ny fe-potoana nomen’ny vondron’ny kaoperativa mpitatitra an-tanàn-dehibe ny fanjakana amin’ny hanonerana ny elanelam-bidy nateraky ny fiakaran’ny vidin-tsolika, hisorohana ny fiakaran’ny sarandalana.
TOLIARA
Paositry ny polisy miisa telo no notokanana tamin’ireo toerana mafampana ao an-tampon-tanànan’i Toliara ny herinandro lasa teo dia ao Sanifily, Antsongobory ary Andabizy. Navoitran’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka nandritra izany fa ny hampisy fandriampahalemana no antony. Tsy misy fampandrosoana vanona raha tsy misy fandriampahalemana, ho izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.