Actualités

Taorian’ny volamena sy ny Boaderozy Lasan’ny vazaha ihany koa ny gidro Malagasy


  • Zoma 05 Aprily 2019

Gaga sy talanjona ny rehetra nahita ny fipariahan’ny sary maneho ireo gidro Malagasy Maki any ampitan-dranomasina, izay tsy fantatra mazava ny nahatongavany.

 

 

 

Taorian’ilay tany Etazonia, izay niteraka resabe sy fanehoan-kevitra maro ny volana febroary teo, dia any Angletera indray no misy ragidro maromaro avy aty Madagasikara. Hotely lehibe iray any amin'ny Lake district, any Avaratra Andrefan'i Angleterre no mampiasa ireo ragidro, izay biby harovana sy tsy misy afa tsy eto amintsika. Mampidi-bola be mihitsy satria mandritra ireny “Yoga” ireny no mampifalifaly sy manome fahafinaretana ireo mpitsidika ireo biby ireo. Ny tranonkala The Guardian dia namoaka ny lahatsoratra sy sary maneho ireo mpanao Yoga miaraka amin'ireo ragidro. Araka ny resaka nataon'i Richard Robinson, tompon'andraikitry ny hotely, dia mahay lavitra noho ny saka sy ny alika ireo ragidro satria mora mahay ireo "paozy" ianarana ka mampazoto ny mpanao “yoga” tonga amin’io hotely io ny fisiany. Ny hafa izany no misitraka ny harentsika. Toa tsy hain’ny Malagasy ny lanjan’ireny harem-pirenena ireny, raha tarafina amin’ny fihazana sy famonoana an-jambany. Tsy ny sokatra na ny volamena ihany no misy manondrana an-tsokosoko satria toa tsy mba sarobidy sy tsy laharampahamehana ny fiarovana azy. Ny mpitondra firenena aza no lohalaharana amin’ny fandrobana sy fanondranana azy ireny.

 

Nangonin’i Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT