Actualités

Taorian’ny fetin’ny krismasy Niasa mafy nanadio tanŕna ny CUA


  • Alatsinainy 28 Desambra 2015

Nivangongo ny fako teto an-drenivohitra taorian’ny fetin’ny krismasy. Saika nahitana izany avokoa ny faritra rehetra, toy ny teny Behoririka, Analakely, Isotry, Tsaralalana izay toerana tena be mpivarotra amoron-dalana indrindra.

 

 Na izany aza tsy niraviravy tanana ireo mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa nanao izay ho afany nanadio. Nanomboka ny 25 desambra lasa teo izy ireo no nanala sy nanangona ny fako rehetra teto afovoan-tanàna raha nisy tamin’ireo mpivarotra amoron-dalana ihany koa no mba tonga saina sy nandray andraikitra ka nanala ny teo amin’ny faritra nisy azy. Ho an’ny tetsy Analakely manokana dia azo lazaina ho efa nadio ny tanàna. Ny ankoatra izay kosa anefa dia mahakivy sy mampiteny ny moana narahin’ny firotsahan’ny ranon’orana izay vao mainka nampitambatra be ny fako. Ho an’ny dabam-pako lehibe dia tena vao mainka avo roa heny noho ny teo aloha ny fako ao anatiny sady itangoronan’ny lalitra. Voakasik’izany manokana ny eny Ambodivona, Mascar, Anosipatrana, Tranodimy Anosibe, Behoririka izay efa mila hanapaka ny lalana mihitsy. Raha araka ny fanadihadiana natao dia efa tapa-bolana mahery no tsy tazana naka fako teny ny SAMVA nefa isan’andro dia tsy mitsahatra ny manary ny avy any aminy ny isan-tokantrano. Ny mahatsikaiky dia ny tsy fahitan’izy ireo ny fako eo Anosipatrana nefa eo akaiky eo ny fivondronana !

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT