Actualités

Taorian’ny Airmad, Jirama, Fanalamanga Hopotehana koa ny Caisse d’Epargne ?


  • Alarobia 08 Oktobra 2014

Azo antoka fa hafana ny adihevitra eny amin’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza rehefa ho tonga eny ka hodinihana ny volavolan-dalŕna momba ny tetibola 2015, satria tena tsy manam-bola ny fanjakana Malagasy. Izao vao tena misy fiantraikany ilay krizy sy fiatoan’ny famatsiambola avy any ivelany nandritra ny 5 taona, afaka niasa ny fitondrana tetezamita satria betsaka ny ambim-bava navelan’ny fitondrana Ravalomanana, ary mety nisy ihany koa ny famatsiam-bola tsy fanta-piaviana azon’ny fitondrana FAT.

Tena fanapotehana

Ankehitriny kosa anefa dia tsy afaka mibolila na manao fihetsika hafahafa hikarohana famatsiam-bola ny fanjakana, ny avy any ivelany anefa raha misy dia manify dia manify no azo, re fa ankamantatra isam-bolana ny fandoavana ny karamam-panjakana na dia manome toky ny tsy tokony hitaintainan’ny fonksionera aza ireo mpitondra. Mandeha be ny feo izao fa rehefa ritra ny vola be tao amin’ny Fanalamanga, Air Madagascar ary ny Jirama dia any amina ivontoerana iray mpitahiry vola  dia ny Caisse d’Epargne de Madagascar (CEM) indray no maka vola hiasana sy handoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana ny fanjakana ; ny tsy mazava dia ny hoe alaina fotsiny ve sa indramina dia averina avy eo, io vola io. Maro ny Malagasy olon-tsotra mitahiry ny volany ao amin’ny Caisse d’Epargne. Ny mampatahotra dia sao lahy ka ho maty antoka dia hikatona tahaka ny nahazo ny BICM farany teo indray ny CEM dia hanjavona ny volan’ny olona avy eo. Tsara homarihana fa tamin’ny 2011 dia efa nisy ny olona ambony voatondro fa nanodinkodina vola hatrany amin’ny 2 miliara ariary tao amin’ny Caisse d’Epargne de Madagascar. Araka ny tsiliantsofina re dia tena tsy manambola mihitsy ny fanjakana saingy miezaka ny mikaroka hevitra hampihodinana ny asa sy tsy hahatapaka ny karama, satria hiteraka krizy lehibe hitarika ny firodanan’ny fitondrana mihitsy izany. Nalaza fa nivelona tamin’ilay vola 100 tapitrisa dolara azo tamin’ny orinasa Sinoa Wisco mitrandraka vy any Soalala ny fitondrana tetezamita no sady nampiasa ny volana boaderozy no mbola notohanan’ireo mpandraharaha Karana ihany koa. Fa mba mampametra-panontaniana ny maro ihany hoe : inona kosa ary no tena loharanombolan’izao fitondran’ny HVM izao satria efa mazava fa ritra ny ao anaty kitapom-bolam-panjakana, tsy mbola niverina ny famatsiam-bola avy any ivelany, ka vola avy aiza izany no ampiasaina eto ?

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT