Tsy hampivaha ny olana eto amin’ny firenena ny fihaonana antampony teo amin’ireo filoham-panjakana 5 mirahalahy natomboka ny 19 desambra 2014 izay hotohizana amin’ny 13 janoary 2015,
hoy Kohen Rivolala tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray. Ny antony dia tsy azo eritreretina velively ny fieken-keloka avy amin’ireo mpitondra fanjakana nifandimby ireo. Tsy voafaritra mazava ihany koa ireo fahadisoana nataon’izy ireo tsirairay avy. Mila mihaino sy mandray ireo soso-kevitra izay haroso ny mpitondra fanjakana ao anatin’izao Repoblika fahaefatra izao raha te-hahavita ny fe-potoana nifanarahany tamin’ny vahoaka. Nolazain’ity mpitarika ny Hebreo Jodaisma ity fa hitombo ny krizy eto amin’ny firenena amin’ny taona vaovao 2015 raha izao fandehan-javatra izao. Anisan’izany ny ho fidangan’ny vidim-bary izay sandaina 3.000 ariary ny kilao sy ny solika izay vidina 5.000 ariary ny litatra. Faminaniany amin’io taona ho avy io ny hisian’ireo fanonganam-panjakana misesisesy. Tsy hanana olana firy amin’ny fandalovan’ny rivo-doza kosa i Madagasikara, araka ny fanampim-panazavana nentiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.