Nanambara ny ho fizotry ny fiainam-pirenena mandritra ny taona 2019 ny Andriana Randrianatoandro Robert mpanandro sady mpitahiry ny hasim-piandrianana ao amin’ny Tranoben’Imerina eny Ambohimanga.
Ho tsara amin’ny Malagasy ity taona ity, hoy izy, fa hivoatra kokoa noho ny tamin’ny lasa ny fiainan’ny mponina eto Madagasikara amin’ity taona ity noho ny fifanandrifian’ny planeta milaza izany mifanaraka amin’ny “année écliptique” voalazan’ny manampahaizana maneran-tany. Hiteraka fitoniana sy filaminana io toetry ny voary io ka ho latsaka hatrany amin’ny antsasany ny tahan’ny tsy fandriampahalemana manerana ny nosy. Hiakatra, hifanaraka amin’izany koa ny vokatra fihinana, hampihena ny famelezan’ny kere amin’ny faritra maro sady hampiakatra ny fari-piainan’ny mponina amin’ny ankapobeny, hoy ity mpanandro Malagasy ity. Taona hampifoha ny Malagasy amin’ny famerenana ny hasiny amin’ny fitakiana ny zony anefa ny taona 2019, hoy ny Andriana Randrianatoandro Robert, ka mila fandraisana andraikitry ny mpitondra, hitandroana hatrany ny hahatanterahany ao anaty filaminana. Tsy ny zo ara-politika ihany fa ny zo hanomezana hasina ny maha olona sy ny maha malagasy azy mihitsy no ho fototry ny fitakiana manomboka amin’ity 2019 ity, araka ny fahitany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.