Actualités

Taona 2014 Navesatra ny fandikan-dalana tao Antsirabe


  • Talata 30 Desambra 2014

Azo lazaina fa navesatra ny asan’ny polisim-pirenena teto Vakinankaratra raha ity taona 2014 hivalona ity no jerena araka ny tatitra netin’izy ireo teo anoloan’ny mpanao gazety. Nampiteny ny moana ny trangan’ny lozam-pifamoivoizana ho an’ny taona manontolo satria nahatratra 96 izany ka ny 11 tamin’ireo dia namoizana ain’olona avokoa ary ny sisa kosa dia ratra sy fahasimbana ara-pitaovana no betsaka

Io no manaporofo ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana eto ankehitriny eto Antsirabe sy ny manodidina raha ny fanazavana.Ny manaraka izay dia ny resaka “fugue”, na ny fitsoahan’ny zaza ny tranon’ny ray aman-dreniny. Notsindrian’ny mpitandro ny filamianana fa nirongatra izy ity teto Antsirabe, indrindra ny 2 volana faran’ny taona izao satria nahatratra tranga 90 to ho eo koa izany hoan’ity taona ity, ary ny tena mahagaga, dia ankizy vavikely manodidina ny 13 ka hatramin’ny 17 no manao izany. Matetika moa dia afenin’ny ankizy amina resaka fakana an-keriny amin’ny fiara 4X4 hatrany izany kenefa dia mipoitra ihany rehefa misokatra ny fanadihadiana ka fantatra saika fitsoahana sy fitarihan’ny namana avokoa no ialany ao an-tranony ka milaza atsanga tsy aman’orana avy eo noho ny tahotra ny ray amandreniny. Efa nisy moa ny fidianan’ny OMC eto Antsirabe notarihin’ny lehiben’ny distrika, ireo toeram-pianarana maro nitondrana fanazavana ho an’ireo ankizy ny lalàna misy sy ny toerana tokony hatoniny raha sendra misy olana izy ireo. Tsy mifanalavitra amin’io ihany koa ny fanodikondinana zaza tsy ampy taona sy ny fanolanana nitranga, izay nahatratra 30 isa teo ho eo ka nampidirana am-ponja ny olona 10 tamin’ireo.Ny amin’ny fanafihana mitam-basy indray, dia nahatratra 11 izany nandritra ny taona. Olona 65  no nosamborina ary 55 tamin’ireo no efa any am-ponja. Nahatratra 7 kosa ireo basy tsy ara-dalàna azo, ary olona 6 no nidoboka am-ponja tamin’izany.  Amin’izao faran’ny taona izao moa dia manao fanamby ny mpitandro filaminana amin’ny fampandriana fahalemana ny tanànan’Antsirabe sy ny manodidina mba hanaovan’ny mponina fety am-pilaminana.Mampitandrina sahady ireo miketrika fanankorotanana kosa izy ireo fa ty handefitra ny amin’izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT