Hisokatra amin’ny alatsinainy 17 novambra izao ny taom-piotazana lodsia raha ny angom-baovao natao, saingy miandry ny fivoahan’ny didim-pitondrana avy amin’ny faritra atsinanana sy faritra Analanjirofo miaraka
. Mandritra izay dia efa mandeha ny « guichet unique » handoavan’ireo mpanangom-bokatra sy mpitatitra ny vokatra ny hetra tambatra. Mampitaraina ireo mpitatitra sy mpanangom-bokatra ny zava-misy fa nahitana fisondrotany avokoa ireo hetra alain’ny faritra sy ny kaominina. Ho an’Atoa Hery izay efa 5 taona nanaovana fitaterana lodsia, dia nahatsapa izy fa isaky ny taom-piotazana tonga dia misy hatrany ny fampiakarana io hetra tambatra io. Raha 20.000 ariary ny saram-piantsonana nalain’ny kaominina tamin’ny taona lasa, dia lasa 40.000 ariary izany tamin’ity taona ity ho an’ny « mini-bus ». Ao anatin’izay anefa dia andoavana 130.000 ariary isany ny fiara « mini-bus » amin’ny patanty ; ireo mbola miampy ny « agrement » 2.000 ariary isaky ny fiara nefa ity mpamily ity efa nandany 200.000 ariary niala avy any Tsiroanomandidy ary 6.000 ariary isan’andro ny sakafo raha 5.000 ariary ny fahan’ny finday hiantsoana ireo mpanjifany. Vokany, tsy hilatsaky ny 360.000 ariary ny saran’ny fanofana fiara, nefa mbola miankina amin’ny halaviran’ny lalana halehan’ny mpanangom-bokatra koa ny fiakarany. Ho an’ny faritra Analanjirofo indray dia 200.000 ariary ny patanty raha 160.000 ariary ho an’ny faritra atsinanana, izay mbola miampy ny « agrément » 10.000 ariary raha 2.000 ariary ho an’ny faritra atsinanana hatrany. Ankoatra izay dia 200 ariary isaky ny kilao ny tamberim-bidy alaina ao Antsikafoka RN5 ho an’ny faritra Analanjirofo, raha 100 ariary izany alaina ao Antsarimasina RN2 ho an’ny faritra atsinanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.