Actualités

Taom-pianarana vaovao “Tsy hisy izany”, hoy ny ANEFFA


  • Alarobia 31 Aogositra 2016

Raha efa manao izay tratry ny ainy mba hampidirana an-janany an-tsekoly ray aman-dreny Malagasy na dia mila tsy hahita izay hanin-kohanina aza dia fantatra fa efa manangasanga any sahady ny fitokonan’ny vondron’ny sendikan’ny mpampianatra

. Mandrahona ny hanafoana ny fandraisany anjara amin’ny fampianarana mandritra taom-pianarana vaovao ho avy izao ireo raha toa ka miziriziry tsy mety mamaly ny fangatahan’izy ireo ny fanjakana. Raha araka ny fanazavan’i Andrianjafy Ellidio, filohan’ny ANEFFA (Association Nationale des Enseignants Fonctionnaires et FRAM en Activité) dia efa ho roa volana izao no nandefasan’izy ireo taratasy fitarainana hanatsarana ny fari-piainan’ny mpampianatra tany amin’ny Fanjakana saingy tsy mbola nisy valiny ihany izany hatreto. « Handray fepetra izahay satria marary loatra noho ny fanosihosena ny zonay », hoy izy. Anisan’ny takian’ny ANEFFA ny hitovizan’ny karaman’ny mpampianatra rehetra, ny fandoavana ara-dalàna ny « subvention », ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ny mpampianatra FRAM rehetra, fanafoanana ny « contractuel » izay mbola iainan’ny mpampianatra enin-taona aorian’ny fandraisana ho mpiasam-panjakana azy ary ny famerenana ny « frais médicaux » izay nofoanana. Fikambanana miisa 13 eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena no mivondrona ao anatin’ity sendika ANEFFA ity.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT