Tontosa soa aman-tsara ny alatsinainy sy ny talata lasa teo ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy.
Tsy diso anjara tamin’izany ireo tanora mpianatra vao misandratra eo anivon’ny sekoly IEF ACEEM etsy Andravoahangy izay notarihin’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny. Tamin’ny alalan’ny fisalorana ireo fanamiana gasigasy, ny fiventesana ny hiragasy, ny fanaovana dihy latsin-tanana… no nentin’izy ireo nanamarihana izany notarihin-dRazafimanantsoa Eliane, talen-tsekoly. Izany no natao raha araka ny fanazavany dia entina hanasongadinana ny fahaiza-miaina amin’ireo karazana fomba amam-panao nentim-paharazana fa tsy sanatria hanao valalan’amboa ka ny tompony aza tsy tia. Narahina lanonana maro samihafa ny hetsika toy ny fizarana koban-dravina izay tena mariky ny maha malagasy tokoa, ny fampahafantarana ireo ankizy mpianatra ny fomba amam-panao Malagasy teo ambany fiahian’ ireo Raiamandrenibe avy any amin’ny Vohitr’Ambohimanga, Ambohidrabiby, Imerimanjaka…
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.