Hankalazaina ny herinandro faharoa amin’ny volana martsa ny taom-baovao Malagasy amin’ity taona 2016 ity. Ny 9 sy ny 10 martsa ho avy izao ny hanatanterahana izany hiarahana amin’ny taranak’Ambohidrabiby.
Hisy fankalazana avokoa manerana ny Nosy, hoy i Hery Rason, tompon’andraikitry ny vakoka sy ny tantara ao amin’ity taranaka iray ity. Eny Ambohidrabiby kosa no hanaovana ny fankalazana manetriketrika. Ny antony dia tao amin’ity toerana iray ity no nanaovan-dRalambo ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy voalohany izay nantsoina hoe : fandroana tamin’ny fotoan’androny. Mikasika ny daty fiovan’ny daty amin’ny fankalazana izany dia nomarihiny manokana fa iray ihany ny taom-baovao Malagasy rehefa manakaiky ny tsinam-bolana. Hampiavaka ny fankalazana amin’ity taona 2016 ity, hoy hatrany izy ny fisian’ny fankalazana hatrany La Reunion sy France izay misy teratany Malagasy manodidina ny 600 isa any ho any. Hiparitaka amina vohitra efatra toy ny eny Andohalo sy Imerimanjaka ary Ambohimangakely ihany koa izany, hahafahan’ny Malagasy rehetra mifaly. Ankoatra ny afo tsy maty izay hosantarina amin’ny andro voalohany moa dia hisy ihany koa ny fanaovana harendrina, ny alim-pandihizana faobe, ny fafy rano, ny fihinanana vary tondrahan-dronono sy tantely ary ny zara Hasina izay hizaran’ireo Raiamandreny salohim-bary ho an’ny taranaka rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.