Niisa 61 ny alin’ny 31 desambra – 01 volana janoary 2016, niisa 42 kosa ny 02 janoary 2016, ireo marary nila vonjy teo anivon’ny vonjy taitra sy vonjy aina ny hopitaly be Toamasina nandritra ny fanaovam-beloma ny taona 2015 sy ny fitsenana ny taona vaovao 2016 ary nandritra ny fety natrehan’ny rehetra.
Tamin’ireo tonga teny amin’ny hopitaly be ireo dia niisa 02 no toran’ny toaka ka vehivavy ny iray tamin’izany. Niisa 07 kosa ireo tratry ny lozam-pifamoivoizana ka ny scooter no betsaka, nisy iray anefa maty voahitsaky ny fiaran nentina mpamily mamo teo am-pidirana an’i Toamasina renivohitra tamin’ny lalam-pirenena faha-05. Nisy koa anefa ireo marary 13 naratra vokatry ny ady nateraky ny fahamamoana ka ny iray voan’ny tsatoka antsy nandritra izany voatery nozairina mihintsy. Nisy 03 ihany koa tratry ny loza am-piasana ka ny iray mpanampy tra-doza tao an-tranon’ny mpampiasa azy. Ankilan’ireo dia betsaka ihany koa tamin’ireo niditra vonjy aina ny hopitaly be ireo tratry ny fiakaran’ny tosi-dra vokatry ny hafanana sy ny tsy fahampiana torimaso, teo koa ireo voan’ny tazomoka amin’izao firongatry ny moka ateraky ny loto sy ny andro mafana ao Toamasina izao. voatsabo sy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa ireo nandalo teo anivon’ity sampan’ny vonjy taitra sy vonjy aina ny hopitaly be ity. Ny iray maty teo amin’izy ireo dia efa tsy nisy aina vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy araka ny fanazavana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.