Raha 500Ar ny vidin'ny vary iray kapoaka, herinandro lasa izay, niakatra ho 600ar izany amin'izao fotoana. Anisan'ny antony goavana mahatonaga izany ny fiakaran'ny rano vokatry ny rotsak'orana nisesy.
Manampy trotraka ny fanararaotan'ireo terarany vahiny karana mpanafatra vary amin'ny vidiny mihoapampana.Very fanahy mbola velona ny mpanjifa. Tsy mbola nandrenesam-peo mahakasika ity fidangan'ny vidim-bary ity ny ao amin'ny sampandraharaham-paritra misahana ny varotra any an-toerana. Araka ny vaovao azo tamin'ireo kaominina manodidina, tsy isalasalana ny mety hiakaran'ny vidim-bary ho any amin'ny 900 na 1 000Ar ny kapoaka. Marihina fa maro amin'ireo mponina no efa milofika sy mianona amin'ny vodivia (hazo mitsiry anaty rano) sy oviala. Sakafo mety hiteraka tsy fahasalamana raha tsy misy arofanina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.