Actualités

Tany mihotsaka Fa inona marina no mahatonga azy ?


  • Alatsinainy 04 Febroary 2019

Raha fantatra mialoha ny loza, efa noraisina ny fepetra rehetra hisorohana azy saingy vinavina sy tombatombana ihany aloha no azo atao, indrindra ny fitandremana.

 

 

 

 Efa nampoizina ihany ny zavatra nitranga teny Tsimialonjafy sy Ampamarinana, dia ilay fikorisan’ny tany niaraka tamin’ny fikodian’ireo vato be nandrava trano sy namono ary nandratra olona.

Inona no antony ?

Misy singa efatra tsy maintsy jerena dia ny firafitry ny tany (ivelany sy anatiny), ny toerana misy azy (lemaka, ambony toerana…) , ny zavatra misy na miorina eo aminy (hazo, vato, trano) ary ny zava-nitranga (rotsak’orana). Mifampiankina ireo rehetra ireo, ary tena hita mazava tamin’ny zava-nitranga teny amin’ireo faritra avo manodidina ny rovan’i Manjakamiadana sy ny teny Andohalo ary Ampamarinana. Maro be ny trano miorina amin’iny faritra iny, izay sady avo no tevana be. Rehefa nisesy ny rotsak’orana dia niteraka fikorontanana teo amin’ny hazo sy ny tany teny ka nihetsika ary avy eo nikorisa ny tany ary nitondra ireo bolongam-bato efa tsy marin-toerana intsony noho ny zavatra efa nihatra taminy an’arivony taona.Nirodana ny vato avy eo, nikodiadia ary dia nandrava ireo trano rehetra sendra ny lalany. Mbola zava-doza no mety hitranga raha sanatria ka misy horohoron-tany any aoriana any izay hampihetsika ny tany sy ny vato ary ireo trano amin’iny faritra Andohalo sy Ampamarinana, tonga hatraty Tsimialonjafy rehetra iny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT