Sakoroka tanteraka tao Toamasina ny alatsinainy alina teo, ary efa tahaka ireny any amin’ny tany miady ireny mihitsy niainga tao Anjoma, nandalo an’Androranga, Ambolomadinika, Mangarivotra, ary tonga hatrany Mangarano
. Nanomboka tamin’ny 8ora alina teo ny raharaha izay tsy nifarana raha tsy tamin’ny 1ora maraina tany ho any. Teo an-daniny ireo “vahoaka leo delestazy” nitora-bato mpitandro ny filaminana sy ireo mpandalo nanelingelina azy ireo ary nandoro kodiarana nameno ny arabe. Teo an-kilany kosa ireo mpitandro ny filaminana izay tsy nitsitsy ihany koa tamin’ny fanapoahana basy sy grenady mandatsa-dranomaso nanaparitahana ireo “vahoaka leo delestazy”. Nifamaliana izany ka nahatonga ireto mpitandro ny filaminana avy amin’ny zandary 3 vaky loha sy naratra mafy saingy efa nahazo ny fitsaboana. Nisy ihany koa ireo sivily 2 tratry ny tora-bato ka ny iray voa teo amin’ny masony ny faharoa kosa voa teo amin’ny handriny izay voatery samy niditra fanjairana avokoa. Teo koa anefa ireo sivily 3 voan’ny bala ka ny iray teo amin’ny tongony izay nahazo fitsaboana teo anivon’ny hopitaly be dia nody, ny faharoa Atoa Fetra voa teo amin’ny tratra manakaiky ny sorony izay nandalo fandidiana omaly maraina ary efa tsy manahy ny ainy, ny fahatelo Atoa Havitriniaina John Xavier no voa teo amin’ny tratrany ka noho ny fahaverezan-dra be loatra taminy, na nanao izay ho afany aza ny mpitsabo dia tsy tana ny ainy, izy dia mponina ao Depot Analakininina Boriborintanin’Anjoma, ary hoentina any Brickaville ny razana anio.Olona 39 no nosamborina omlay ary efa naanomboka niakatra tao amin’ny fampanoavana ao Toamasina ihany, mbola hitohy anio izany.
Gropy 3 fanampiny
Tonga tao Toamasina omaly maraina ary mbola mijanona ao hatramin’ny anio, ny minisitry ny filaminam-bahoaka, ny lehiben’ny zandarimariam-pirenena, ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana, ny talem-pitantanan’ny orinasa Jirama, ary ny solontenan’ny filoham-pirenena tamin’ny alalan’ny mpanolotsaina manokany. Nisy ny fihaonana natao niarahana tamin’ireo vondron’ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny biraon’ny lehiben’ny faritra atsinanana ka tamin’izay no nahalalana fa efa mandeha ireo gropy 6 nohafarana avy any Dubai.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.