Mafampana ny toe-draharaha any Nosy-Be taorian’ny nahazoan’ny vazaha lahy manambady gasy ny tany manoloana ny “Maison des Jeunes” ao Hell-Ville.
Mpanolotsain’ny filohan’ny Repoblika no voalaza fa nanamora ny fahazoan’ilay vazaha io tany io. Mampiaka-peo ny « Conseil Communal de la Jeunesse » sy ny tanora ao Nosy-Be ary milaza tsy hanaiky izao fivarotana tanindrazana izao. Toherin’izy ireo koa ny hanorenana trano fandraisambahiny na trano hafa amin’io toerana io. Hanimba tanteraka ny hoavin’ny tanora eto Nosy-Be io, hoy izy ireo. Nandefa fitarainana tany amin’ny Filankevitra monisipalin’ny tanàna izy ireo ny alarobia teo. Milaza ny tsy hihemotra ny “Conseil Communal de la Jeunesse” raha tsy voavaha io olana io. Efa maro ny tany tsara namidin’ny Fanjakana amin’ny vahiny”, hoy hatrany izy ireo.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.