Actualités

Tany etsy Andohatapenaka Omena ny TOTAL


  • Sabotsy 10 Septambra 2016

Tsy misy ny takona izay tsy hiseho.Vaky ambatolampy ny resaka momba ny tany etsy Andohatapenaka ankehitriny.

 

Nomena ho fananan’ny orinasa Frantsay Total izay mpandraharaha amin’ny resaka solika ilay tany izay fananan’ny orinasa Tiko. Voasonia ny alarobia 7 septambra 2016, izany hoe vao tamin’ity herinandro ity ny taratasy manambara izany rehetra izany.

Voasoratra mazava ao fa tsy misy tompony hafa na fifanarahana hafa momba io tany io afa-tsy ny fifanarahana « bail emphytéotique » ataon’ny orinasa TOTAL Madagascar mandritra ny 50 taona amin’ny sarany 42 083 ariary isan-taona no manankery. Toby fiantsonana taksibrosy miampy toby fivarotan-tsoliky ny TOTAL no hatsangana eo amin’ilay toerana ary tsy azo atao , araka ny voasoratra ao anatin’ilay taratasy ihany ny mampanofa ny tany ho an’olon-kafa. 5 taona no fe-potoana hanorenana ny ireo fotodrafitrasa ireo araka ny fifanarahana natao ny 6 septambra 2016…Mazava tsara izany eto fa tamin’ity herinandro ity vao nohafainganina ny fanamboarana ny taratasy ara-dalàna momba io tany eo Andohatapenaka io. Tsy nisy ny fifampiresahana tamin’ny Tiko izay manana titra mazava sy ara-dalàna momba io tany io fa bodongerina no natao. Tahaka izao ihany no bontolo nitranga teny amin’ny tany misy ny labatoara, nikatso anefa avy eo ny asa. Voaporofo hatrany noho izany fa tena kitoatoa fomba fiasa ity fitondrana ity ary tsy menatra mihitsy manilika ny mpandraharaha Malagasy mba hanomezana vahana ny vahiny. Tsy tokony hahagaga ihany koa raha mitombo ny olona mandika lalàna satria ny manampahefana mihitsy no mampiseho fihetsika tsy mendrika : mamorona taratasin-tany (cértificat d’immatriculation et de situation juridique) ao anatin’ny 2 na 3 andro ; mampiasa fiara be tsy misy taratasy ara-dalàna ; mandefa milisy mitam-piadiana miditra an-keriny any amin’ny tobin’ny polisy monisipaly amin’ny 10 ora alina. Rariny sy hitsiny ihany koa raha tsy mety mahatoky izao fitondran-dRajaonarimampianina izao ny mpamatsy vola satria be loatra ilay gaboraraka sy fitantanana sadasada.


RTT  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT