Actualités

Tany 60 000 ha any Bas-Mangoky “Ahiana ho lasan’ny Arabo tahaka ny any Serbie”


  • Alarobia 19 Febroary 2020

Mitohy ny ahiahy amin’ny fanomezana 60 000Ha hampisain’ny orinasa Arabo Emirate Elite Agro LLC,

 

 

araka ny fanambaran’ny CRAAD-OI (Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives-Ocean Indien) ny 17 febroary teo. Nisy mpanao gazety nanoratra fa ny 80% amin’ny vokatra vidian’ny fanjakana dia haondrana, ary ny 20% no hamidy ato amin’ny tsena anatiny, izay tsy mifanaraka amin’ny fanamby hiantohana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hoy izy ireo. Kaominina telo ao anatin’ny distrikan’i Manja dia Ankiliabo, Andranopasy ary Beharoana no voakasika ka eo amin’ny 100 000Ha dia tany ngazana, hoy ny minisitry ny tanora Tinoka Roberto ny 10 febroary lasa teo. Nambarany fa azo ny tsodrano tamin’ireo olobe nandritra ny diany tany an-toerana. Raha tena milaza ny hisian’ny mangarahara tokoa ny filoham-pirenena, dia tokony hampahafantarina amin’ny antsipirihany amin’ny vahoaka ny “Memorandum of Understanding” niarahana tamin’ny Emirate Elite Agro LCC, hoy ny CRAAD-OI. Tena ilaina tokoa ny tsodranon’ireo raiamandreny ara-drazana sy mpitazona ny fombafomba fa ny didim-panjakana 2004-0167 dia momba ny fetezan’ny fampiasam-bola amina tetikasa mahakasika ny tontolo iainana (MECIE), mitaky fanadihadiana ara-tontolo iainana, izay mila hanaovana fakan-kevitra handraisan’ny mponina rehetra anjara, ary tsy mamela velively ny depiote na minisitra ho mpanao fanadihadiana, hoy ny fanazavana. Milaza hatrany ny fanjakana fa tsy misy resaka famarotana tany ao anatin’ny “memorandum”, kanefa ny zava-misy tamin’ny angom-baovao mahakasika ny orinasa Amirate Elite Agro LCC tany amin’ny firenen-kafa dia tena mampiahiahy tanteraka. Any Serbie izay any Eoropa Atsinanana, ohatra, dia lasa tompon’ny tany nampiasainy io orinasa io sy ny orinasa arabo hafa niaraka taminy. Misy feo sy resaka mandeha amin’ny hikitihana ny lalàna momba ny fampiasam-bola satria mpampiasa vola maro no mitady toky manoloana ny resaka fananan-tany eto Madagasikara. Inona no mety ho antoka tiana hapetraka hoenti-manamora ny fahazoan’ny vahiny tany sy ny fanamorana ny famarotana tany amin’ny vahiny ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT