Actualités

Tantsaha sy mpanjono Fanorolahy any amin’ny faritra Vonona hampandany an’i Dada


  • Alakamisy 18 Oktobra 2018

Vonona hampandany an’i Dada amin’ny fifidianana amin’ny 7 novambra ho avy izao ireo tantsaha mpamboly sy mpiompy ary mpanjono Fanorolahy any amin’ny faritra.

 

Hiarahany amin’ny antoko Tiako I Madagasikara ny Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana any amin’ny faritra misy azy izany ka hisy mihitsy ny fitetezana tokantrano hotanterahin’izy ireo, hoy Randrianary José, filoha nasionalin’ny antoko Fanorolahy. Ao Mahanoro, Vatomandry ary ny Faritra Analanjirofo no hanatontosany ny hetsuka hatramin’ny 25 oktobra ho avy izao, fitetezam-paritra izay hitohy avy  hatrany any amin’ny distrikan’i Maevatanana,  Mampikony….Tsiahivina moa fa tsy latsa-danja ny any amin’ny faritra ny fanohanan’ireo tantsaha Fanorolahy eto an-drenivohitra ny kandida laharana faha-25.  Efa nisy ny fifanakalozan-kevitra notanterahin’ny tanora TIM ao Talatamaty sy ireo  tantsaha ao Ampanataovana Ambohidratrimo ny talata lasa teo.  Samy resy lahatra ny roa tonta fa i Dada Ravalo ihany no tokony hotohanana amin’ny fifidianana ho avy izao raha tiana handroso ny firenena. Ho an’ireo tantsaha eny an-toerana moa dia tsiahivina fa efa nisy ny famatsiana zezika sy masomboly nataon’ny Fanorolahy ho azy ireo ka amin’ny faran’ny volana ho avy  izao no hanatanterahana ny santa-bokatra mifandraika amin’izany.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT