Ara-tantara dia karazana fametrahana fanafody gasy ho fiarovana ny omby ny ambalavelona. « Vala velona » no anarany, izany hoe nofaritana tao anaty vala ny omby mba tsy hihetsika
. Raha misy tafavoaka an'io dia lasa mitroatra tsy azo sakanana ka raha tsy ny tompony tsy mahazo azy. Tany amin'iny faritr'i Mahajanga iny no voalaza fa nisehoan'ity aretina ity voalohany, saingy rehefa nifanerasera nividy omby tany ireo mponina avy ao Ambatondrazaka dia nandray izany. Tsy tany amin'ny biby ny azy no natefany fa nataony tamin'olona nanaovana hasomparana ary teo no niovan'ilay anarana ho « ambalavelona ». Tamin'ny taona 1970 ka hatramin'ny taona 1980 tany no nosoritan'ireo raiamandreny nanaovana fanadihadiana fa tena nampafana vay an'ity aretina hafahafa ity tao Ambatondrazaka. Misy ny milaza fa ny dadarabe sy ny mpimasy no manala izany vao sitrana ilay olona. Ho an’ny dokotera indray dia ny tsy fahampian'ny kalsiôma sy ny aretin-tsaina no mahatonga ny olona ho toy ireny lasa adala ireny. Ho an’ny Kristianina indray dia asan-devoly ny ambalavelona, izany hoe fanahy ratsy mipetraka amin'olona iray izy io, ka mahatonga azy ho verivery saina, tsy mahalala izay tokony hataony. Ivavahana sy iasana ary ametrahan-tanana ny olona voany mba ho sitrana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.