Mpirahalahy i Balita sy Sandy, Balita kamo mianatra fa mahitahita lalana hanaovana bizina hividianana diplaoma, nety hatrany ny teti-dratsy.
Tafakatra hatramin'ny toeran'ny minisitra mihitsy aza. I Sandy kosa nandeha tamin'ny lalana marina, niezaka tamin'ny fahaizan'ny tenany, nisy fihafiana sy nizaka ny latsa maro samihafa. Nisy namandrika ary i Balita ka nanao sonia taratasy tsy hainy akory na ny tao anatiny aza vokatry ny tsy fahaizana. Soa fa teo i Sandy zandriny tena nianatra ary mahay afaka namonjy azy tsy higadra.
Lesona : Ho an'ireto olona te ho ambony sy miady hitondra firenena ireto nefa tsy mahay na inona na inona, tsy ny vola, tsy ny hatsaran-tarehy, tsy ny diplaoma fosika(Piraty) no ilaina itondrana firenena fa ny fahaizana sy ny traikefa (Orizinaly). Tsy very maina ny ezaka atao amin'ny fahamarinana, tsy ny mpanao kolikoly no tafavoaka fa izay manana ny maha izy azy, tsy voavidim-bola sy harena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.