Sakoroka sy savorovoro no niseho teny Faravohitra akaikin'ny lisea tao anatin'ny firavan'ny mpianatry ny lisea omaly hariva, raha ny vaovao niparitaka.
Andiana tanora maro tonga no nitsena ireo mpianatra nirava. Vonon-kiady satria nisy nirongo fitaovana toy ny maritoa, biriky, ka dia raikitra ny ady. Nisahotaka daholo na ny mpiady na ny mpianatra tsy mahalala ny zava-misy. Andiana tanora avy amin'ny faritra samihafa no nifanafika. Nisy tompon'andraikitra niantso polisy ka ireto farany no nandrava ny fivorivoriana sy ny fifampihantsiana teny amin'ny manodidina ary nisy ny fisamborana, raha ny vaovao azo. Nisy rahateo ny tanora naratra tao anaty fisahotahana tao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.