Lasan-dRaveloson Andry, tale mpitantana ny orinasa mpanamboatra fromazy « Sodimilk » ny amboara tamin’ilay fifaninanana tanora mpandraharaha mendrika taona 2016 nokarakarain’ny banky BNI Madagascar.
Taorian’ny nahazoany ny mari-pahaizana Master tamin’ny alalan’ny lalam-piofanana Management communication, Raveloson Andry no nanatanteraka ny nofinofiny tamin’ny alalan’ny fananganana orinasa ho an’ny tenany manokana izay mbola hafatra napetrany ho an’ny tanora ankehitriny hahafahana mampandroso ny firenena. Efa mampiasa fianakaviana am-polony ny lehilahy ankehitriny ary mbola mikasa ny hanitatra izany hatrany. Hanampy sy hamatsy ara-bola azy ny banky BNI , vola hindramina tsy misy zanany ho fandraisana anjara amin’ny fanohanana ireo tanora Malagasy mpandraharaha. Omaly maraina no nanatanterahana ny lanonana teny Tanjombato, natrehin’ny talen’ny banky Alexandre Mey an-daniny, ny ministry ny indostria Chabani Nourdine an-kilany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.